Nitohy nandritra ny alina ny fifidianana. Ka efa hadiva ho marainan’ny talata 24 novambra vao vita ny latsa-bato. Noho izany no tsy nahitana lahatsoratra momba ny vokatr’io fifidianana io ireo gazety mpiseho isan’andro (Midi Madagasikara, Express de Madagascar, Les Nouvelles, Ao Raha, Taratra, Tia Tanindrazana sy Jejoo).
Voakasik’ity Tolo-pehin-kevitra ity ny filohan’ny Antenimieram-pirenena, Randrianasoloniaiko Siteny, ny filoha lefitra misahana ny Faritanin’Antsiranana, Ibrahim Issa Charles, ny filoha lefitra misahana ny Faritanin’i Mahajanga Afakandro Christian, ary ny Kestora fahatelo, Mamihaja Charlot.
Mialoha ny nirosoana tamin’ny fandatsaham-bato dia notanisaina an-karihary ny antony nanalana azy ireo. Ny depiote nametraka ny fangatahana no namaky ireo antony nanosika azy hametraka io Tolo-pehin-kevitra io. Samy afaka niaro tena izy efatra mirahalahy voakasika.
Anton’ny fitoriana. Ohatra, mahakasika ny filohan’ny Antenimieram-pirenena dia tompon'andraikitra voalohany amin'ny fampandehanana ny raharaha eo anivon'ny Antenimieram-pirenana, manao toa izany koa ireo depiote misolo toerana azy. Tsapa anefa fa tsy mahavita izany izy ireo. Mahakasika ny filohan’ny Antenimieram-pirenena manokana dia be loatra ny tsy fanarahana lalàna araka ny fitanisana re. Santionany amin’ny fandikan-dalàna nataony ny fanendrena filohan'ny Vaomiera tsy nandalo fifidianana. Misy koa fanaovana tsinontsinona an'ireo depiote tsy mitovy hevitra aminy ary fanomezana tombon-dahiny ny depiote mitovy hevitra aminy.
Mikasika ireo filoha lefitra roa, marobe ireo depiote mitaraina noho ny tsy fahavitan’izy ireo ny asany. Eo koa ny tsy fanarahan-dalàna. Maro loatra koa ny fampisaraham-bazana ataon’ireo depiote amin'ny faritanin’i Mahajanga sy Antsiranana. Tena diso fanantenana ny depiote.
Momba ny kestora fahatelo kosa dia zara raha hita eo anivon'ny Antenimieram-pirenana. Vokatr’izany dia tsy mahavaly izay fangatahana nalefan’ny depiote any aminy izy.
Mbola mijanona eo amin’ny toerany araka izany ireo mpikambana hafa mandrafitra ny Birao Maharitra : ny filoha lefitra Antananarivo, filoha lefitra Toamasina, filoha lefitra Fianarantsoa, filoha lefitra Toliara ary ireo kestora voalohany sy kestora faharoa.
Ho an’ny mpikarakara dia tratra avokoa ny fepetra ilaina tamin’izao fifidianana izao. Tratra ny fetr’isa (2/3-n’ny mpifidy nandray anjara no ilaina hampanan-kery ny vokatra).
Vokatry ny latsabato miafina
Momba ny filohan’ny Antenimieram-pirenena Randrianasoloniaiko Siteny depiote 112 no nankasitraka ny fanalana azy (nifidy ny Eny), 37 kosa no nifidy ny Tsia.
Filoha lefitra misahana ny Faritanin’Antsiranana Ibrahim Issa Charles : isam-bato 117 Eny ary Tsia 32,
Filoha lefitra misahana ny Faritanin’i Mahajanga Afakandro Christian : isam-bato 119 Eny ary Tsia 30,
ary ny Kestora fahatelo Mamihaja Charlot isam-bato 117 Eny ary 32 nifidy ny Tsia.
Tsiahy. Ny 15 oktobra 2025 no lany tamin'ny vato 127 tamin'ny 133 ny fanesorana ireo mpikambana tao amin'ny Birao Maharitra am-perinasa (nandritra ny fitondran’ny filoha Rajoelina izany). Natao nanaraka teo ny fifidianana izay ho filoha vaovao. I Siteny Randrianasoloniaiko, izay filohan’ny Vondron’ny Mpanohitra no lany ho filohan'ny Antenimieram-pirenena. Vato 94 tamin'ireo depiote 104 no azony tamin’izany.
Miandry ny dingana manaraka izany ny eny Tsimbazaza : fifidianana ny ho filohan’ny Antenimieram-pirenena sy izay hasolo an’ireo naongana.