Ry Vahoaka malagasy tsy vakivolo,
Ny voalohan-teny dia mampiseho fiaraha-miory amin'ireo fianakaviana namoy ny akaiky azy noho izao zava-misy izao.
Mankahery ihany koa ireo izay simba fananana noho ny hetraketraky ny tsy mataho-tody.
Potika ny Firenena, mikorontana ny fiainan'ny Malagasy amin'izao satria tsy misy fitadiavana mandeha amin'ny laoniny noho ny tsy fisian'ny rano sy jiro, izay zo fototra tokony hananan'ny Vahoaka.
Ny fidiram-bola tsy zarizary satria zara raha mahita asa ny tanora malagasy.
Ny kolikoly sy ny fanodinana ny harem-pirenena anefa mitombo ary miseho amin'ny fomba isan-karazany.
Herinandro teo izay dia maro ny Gasy voatifitra, ao ny naratra, ao ny very sy potika fananana noho ny fandrobana nataon'ireo tsy mataho-tody.
Eo afovoan'izany rehetra izany dia manenjika, managadra, mandratra ary misy mihitsy aza mitifitra no ataontsika mpitandro ny filaminana.
Mivangongo eto Antananarivo ireo miaramilantsika, TSY HANINONA FA HIARO TSANGAN'OLONA FA TSY HIARO NY VAHOAKA. Hany ka tsy hitantsika, odiantsika tsy hita ny asan-dahalo any amin'ny faritra. Matimaty amin'izany ny rahalahintsika, na zandary, na miaramila, amin'ny asan-dahalo. Mivory eto daholo anefa ny zandary sy ny miaramila.
Ny mampalahelo anefa dia tsy miraharaha ny momba antsika miaramila ireo lehibe fa variana miaro ny sezany. Firy moa izao ny miaramila gadra, simba "carrière" noho izany. Ary amin'izao fotoana itenenantsika izao, misy manam-boninahitra ambony anankiray, Lieutenant-colonel Gervais, sy Adjudant-major anankiray miasa amin'ny Présidence, samborin'ny zandary ao amin'ny toby, efa ho folo andro, tsy fantatra hatao inona? Avoahy io namanay io ! Tsy nangalatra io, tsy namono olona !
Izao disadisa izao, ara-tsosialy sy ara-politika, izao dia efa tany amin'ny taona 2023 no efa niseho tamin'ny andron'ny kolektifa iraika ambin'ny folo. Fa noho ny tsy fandraisantsika andraikitra tamin'izany fa aleon'ireo lehibentsika nanampy ny mpitondra ka nanambotra sy nanagadra ireo nahasahy niteny tamin'izany fotoana izany. Koa aza gaga fa izao hitantsika izao ny vokany.
Mifandrafy ny samy Malagasy, potika ny Firenena, mihamafy ny tsy fandriam-pahalemana, mitombo ny isan'ny tsy an'asa, hany ka lasa anisan'ny Firenena mahantra eran-tany i Madagasikara.
TSY MANAO NY ASANTSIKA INTSONY ISIKA MIARAMILA FA ZARY MISOLELAKA. ALEONTSIKA MISAFIDY NY HANOMPO SY HANARAKA BAIKO TSY ARA-DALÀNA TOY IZAY HIARO NY VAHOAKA SY NY FANANANY. Nitranga izany ny alin'ny alakamisy 25 septambra sy zoma 26 septambra farany teo ary mbola mitohy izy io eny an-kianja eny : ny fikasihan-tanana, ny fandratrana ireo mpianatra, tanora mba mitaky ny zony.
Tadidio fa isika miaramila, zandary ary polisy dia nivoaka avy eny amin'ny fiarahamonina ary mbola hiverina eny amin'ny fiarahamonina. Eny ny fianakaviantsika, eny ny zanatsika no mianatra ka fotoana izao hijoroana handray andraikitra mba hanavotana ny firenena.
Mivondròna isika miaramila, zandary ary polisy; miraisa saina ary aza manaiky vidim-bola ka hitifitra ny namanao, ny rahalahinao, ny anabavinao.
Zana-bahoaka isika ka aoka hiverina eny amin'ny Vahoaka !
Ka ireto ny antso avo avy aminay ho antsika rehetra :
Ho antsika miaramila, manaiky fa tokony handray andraikitra isika dia tongava ety amin'ny CAPSAT izao dia izao hanatevin-daharana anay efa maro ato, na ianareo zokinay izany, ianareo mpiray andiany, ianareo zandry isany, ireo manam-boninahitra lefitra sy vata-miaramila.
Toy izany koa ianareo zandary sy polisy, izay afaka manao fanambarana manotrona izao ataonay izao dia manaova fanambarana hampisehoana fa mpirahalahy mianala isika ka tsy zarazarain'ny vola. RAISO NY VOLA FA ADALA TOMPO, MOA VOLANTSIKA IHANY ANIE IO ANAJANY ANTSIKA IO E ! FA AZA MIALA AMIN'NY BE SY NY MARO.
Ho anareo miaramila ao amin'ny lapan'Iavoloha sy eny Ambohitsirohitra, mialà ao ianareo, mamonje ny "camp"-nareo tsirairay avy. (Mbola ho hita eo ny tohiny rehefa avy eo.)
Ho anareo izay eny Ivato, ento ireo namanareo, SAKANO IZAY FIARAMANIDINA MIKASA HIALA AO, NA IZA IZY NA IZA.
Ho anareo any amin'ny "camp" rehetra any ka tsy hamonjy anay aty, na zandary io na polisy : MIJOROA ! Aza manaiky hampiasain'ireo lehibe ireo hifampitifitra amin'ny namanareo, rahalahinareo. Akatony ny vavahady dia miandrasa toromarika avy aminay ary aza mandray avy amin'ireo lehibentsika ireo intsony. Izay lehibe manome baiko hifampitifirantsika "frères d'arme" dia atodiho any aminy ny basy fa tsy izy akory no hamelona ny vady aman-janatsika tsirairay raha sanatria tokoa isika ka misy maty.
Moa isika tsy nanao sonia, tsy nanao "j'ai l'honneur" ka hifampitifitra. Tsy hamono ny vahoaka malagasy no nanaovantsika sonia nidirana tato amin'ny miaramila, zandary sy polisy.
Alao hery, ry rahalahy isany! MIVONDRÒNA, MIRAISA SAINA KA AOKA NY FANAVOTANA NY FIRENENA IRERY IHANY NO HIBAIKO ANTSIKA KA HO AN'NY TANINDRAZANA TOKOA! »
https://web.facebook.com/share/v/18JFqAzTuw/
CAPSAT 2025 – ANTSO sy Fanambarana avy eny Soanierana « TANIKO Madagascar