Maro ny fanazavana hita sy re
« Ny fahalalako ny Delta Force dia misy karazany telo » hoy Ma Nantsoa, mpiondana Delta Force. Ranty hita tao amin’ny vondrona Delta Force Mada (Mobile, PC, Console…). « Ny Delta Force Global no voalohany, ny faharoa dia ny Delta Force Garena ary ny fahatelo dia ny Delta Force Chinois ». Isan’ny maha samy hafa an’ireo fitaovana ireo dia ny foibe (na serveur) sy ny faritra (na région) ary ny nanontany lozisialy (publisher). Samy afaka lalaovina amina ordinatera, finday ary Console izy rehetra. Lalao mitaky hakingan-tsaina sy tanana ary maso izy io na inona na inona lozisialy ampiasaina. Misy mampiavaka an’izyteloireoanyanatinyany.
Ny Delta Force Global no azo lazaina fa iraisam-pirenena tanteraka ka i Chine no tsy ao anatiny. Tahaka ny kilalao vidéo rehetra dia afaka hilalaovana ao an-trano izy.
Efa mahazo vahana koa izy eo amin’ny sehatra lalao ana habaka na Esport. Misy ohatra ny lalao Delta Force Global League EMEA 2026. Eo koa ny Delta Force RISE Series. Ity farany dia misy vola iadiana (cagnotte) mitentina 1 000 000 USD ho an’ny mpandresy.
Misy izany ny fifaninanana malaza, ao ny hetsika manokana (événement), ny antsoina hoe battle Pass.
Manana filaharana ny mpilalao (tahaka ny fanatanjahantena rehetra, ohatra ny Barea dia manana ny filaharany eo anivon’ny FIFA, na koa ny an’ireo mpilalao échec izay omen’ny federasiona iraisam-pirenena).
Ny faharoa dia ny Delta Force Garena. Ny tena mampiavaka an’ity lozisialy ity kosa dia ny faritra jeografika ahafahana mampiasa azy. Azia Atsimo Atsinanana, Taiwan, Amerika Afovoany sy Atsimo, Brezila, Moyen-Orient ary Afrika Avaratra no toerana iasany.
Ny fahatelo dia ny Delta Force ampiasain’ny Sinoa any Chine irery, izay nantsoina tany amin'ny fiandohana hoe Delta Force Hawk Ops. Ny orinasa Tencent no namokatra azy io. Natokana ho an’ny Sinoa izany izy io na izany aza afaka mampiasa azy daholo ny rehetra.
Inona izany no miasa eto Madagasikara?
Raha ny voalaza tany Antsirabe dia Sinoa no nanofana an’ireo nanangana orinasa ary ireo Sinoa ireo ihany koa no nanofana ny mpiasa. Raha ny lojika izany dia ity lozisialy fahatelo ity no ampiasaina ao anatin’ireny orinasa tany Antsirabe ireny.
Nilaza tokoa ny tompon'orinasa fa Sinoa no mpiara-miombon'antoka aminy.
Araka ny fanazavana ny Delta Force Hawk Ops (CN) dia ahafahana mamadika vola azo ao anaty lalao ho lasa tena vola.
Firy no miasa amin’io eto Madagasikara?
Raha ny vaovao niparitaka tao Antsirabe dia mahatratra 10 000 ny isan'ireo miasa ao anatin’io tontolo iray io. Sarotra inoana izany satria tena betsaka io isa io. Ankoatra an’izay dia betsaka ireo tolotr’asa naparitaka teo amin’ny Facebook tamin’ity taona 2026 ity fotsiny ohatra. Ankoatra an’Antsirabe dia tanàna telo no tena nahitana tolotr’asa. Nahitana tolotr’asa ny ao Fianarantsoa, Toamasina ary toerana maromaro ao Antananarivo. Ny ankamaroany dia asa anaty birao (sur site na présentiel), vitsivitsy kosa ny tolotra atao any an-trano (à domicile).
Ny ankamaroan’ireo manao ny asa dia milaza fa tsy misy fiahiana ara-tsosialy (CNaPS na OSTIE) ny fifanarahana. Mafy ny asa satria mahatratra adiny folo ny ora iasana isan’andro. Mafy tena mafy izany asa izany. Hatraiza izany ny maha ara-dalàna ny orinasa? Inona no ao ambadiky ny fanakatonana ireo orinasa tany Antsirabe: olana ara-panjakana sa fisolokiana? Ary manao ahoana ny any amin’ny toerana hafa? Samy miandry.