NEWS DEBAT MAGAZINE FEON'NY LAKROA MPIVAHINY

Fiainan'ny mponina

RDB : 30 taona nitoriana ny Vaovao Mahafaly sy nanasoavana ny fiarahamonina

Hanitra | 29 SEP 2026
Niainga tamin’ny “analogique”, namakivaky ny fivoaran’ny tekinolojia, mampiasa ny “faisceau numérique” ankehitriny ny Radio Don Bosco. Tsy mitsahatra ny manavao sy manatsara hatrany mba hahatratrarana mpanaraka maro kokoa, indrindra ny tanora. Onjampeo katolika ho an’ny Malagasy, izay notsofina rano tamin’ny 27 jona 1996, izany hoe mankalaza ny faha telopolo taonany amin’ity taona 2026 ity.

"Tsy radio fotsiny ho anay ny radio Don Bosco, fa tena mpiara-dia amin'ny fiainana isan’andro. Hatramin'ny fahazazako no efa mpihaino azy izahay ao an-trano. Mahita fampaherezana, fifaliana, fanabeazana amin'ny alalan'ireo fandaharana izahay. Faly aho mahita fa feno 30 taona ny RDB ary manantena aho fa mbola hitohy hanazava sy hitondra fanabeazana ho an'ny taranaka maro izy amin'ny taona ho avy,"hoy ity tovovavy mpihaino radio Don Bosco. Ankoatra azy, izay mandray ny radio eo amin’ny mari-drefy 93.4, dia efa misy fomba maro ahafahana mihaino RDB ankehitriny. Ny tranonkalam-pifandraisana www.rdb.mg, ny Canal plus, ny “application” azy manokana, ny RDB live izay mamokatra horonan-tsary aely sy zaraina an-tambajotran-tserasera mandra-pahazo ny fahazoan-dalana hanokatra ny fahitalavitra.

Miara-miasa ny relijiozy sy ny lahika

Tale mitantana ny onjam-peo ankehitriny, i P. Randriamiandrinirinarivo Eric Franck. “Mikendry fampivoarana ny maha olona manontolo amin’ny alalan’ireo fandaharany ny RDB. Manabe ny mpihaino ho tonga olom-banona izy”, araka ny fanazavana nentiny. Ny talen’ny famoahana, dia Rtoa Ratovoarivelo N. Marie Frédeline, izay anisan’ny mpiasa mpamaky lay mbola amperin’asa. Anisan’ny hetsika ao anatin’ny fanamarihana ny faha telopolo taona ny nisian’ny varavarana misokatrany alarobia 24 jona, teny amin’ny RDB Ivato, izay nampahafantarana tamin’ireo mpihaino momba ny tantaran’ny Radio. Nisy ihany koa ny tantara an-tsehatra mitondra ny lohateny hoe «Ratsy fototra» nolalaovin’ny mpiasan’ny RDB, ny sabotsy 19 septambra, tao amin'ny CCESCA Antanimena.

Mankasitraka

Maro ireo mpihaino no mankasitraka ny Radio Don Bosco amin’izao fetiny izao. Anisan’izany ity renim-pianakaviana ity. Maneho mihitsy ny fifampizarany fa manana iraka manokana ity onja-peo ity: « Ho ahy, mihoatra lavitra noho ny fitaovan-tserasera tsotra ny RBD, namana tsy foiko izy. Nitondra fiovana lehibe teo amin'ny fiainako manko ny fihainoana azy tamin'ny fotoana namoizako fanantenana sy nahatsapako fahasahiranana lalina teo amin’ny fiainako. Indray andro, tena nandalo ady mafy aho no nandefa radio, ka nifanojo tamin'ny fandaharana fivavahana tao. Ny teny reko sy ny  fandinihana ny Evanjely tamin'izay fotoana izay dia tsapako ho toy ny valim-bavaka mivantana tamin'ny tebitebiko. Tamin'io andro io, valona indray ny afon'ny fanantenana tao anatiko. »

Arahabaina ianao ry RDB mankalaza ny faha telopolo taona! Enga anie ny Fanahy Masina hanome aingam-panahy hatrany, ary hitoetra mandritra ny taona maro ho avy anie ny fiaraha-miasa eo amin’ny RDB sy ny Lakroa.





Mentions Légales  |  © Lakroa Media 2026