NEWS DEBAT MAGAZINE FEON'NY LAKROA MPIVAHINY

Fiainan'ny mponina

Tsy mampisondrotra ny fahazarana mividy zavatra amoron-dalana

Fanantenana | 22 SEP 2026
Ambohijatovo, amin’ny 4 ora sy sasany hariva, manomboka mamelatra entana ireo mpivarotra ny vokatry ny tany eo ambony trottoir. Voatabia, tongolo, voankazo, toa ny voasary, akondro, zavoka… Miondrika misafidy eo ny mpandalo.

Mora kokoa ve? Iny fahazarana iny anefa lasa misy fiantraikany amin’ny fananana fomba fiaina mendrika. Ny fiainan’ny Malagasy dia toa ny mandeha ho azy, noana izy dia mihinana am-pitsanganana eny amin’ny vary mitsangana. Te hihinana voankazo izy, dia mifantina eo ambony trottoir, hany ka lasa manana fomba fiaina tsy te hikatsaka ny tsara. Misy fotoana aza zavatra lo no amidy eo amoron-dalana, fa mbola misy mpividy ihany!

Ny fomba fiainana tsara sy mendrika

Tsy miankina fotsiny amin’ny fananana vola be, fa indrindra amin’ny fanajana ny tena sy ny fitaizana ny saina ho amin’ny fahatsarana ny fananana fiainana tsara sy mendrika. Laharam-pahamehana amin’izany ny fialana amin’ny gaboraraka mba hananganana fiainana milamina sy maharitra. Iray amin’ny fahazaran’ny Malagasy tokony hodinihana àry ity fividianana zavatra amoron-dalana ity.

Zatra mihinana voankazo novidiana teo amin’ny tany!

Tsara ampidirina tsikelikely amin'ny sehatra ara-dalàna àry ny fiainana raha te handroso. Rehefa manomboka mividy zavatra amin'ny toerana manara-drafitra ianao, dia efa mianatra ny fitsipiky ny toe-karena matotra sahady, ary manaja ny tenanao sy mitaiza ny ankohonanao ho amin'ny fahatsarana. Misy mpivaro-boankazo tsara tarehy ao anatin’ny tsenan’Ambohijatovo, kanefa aleo ihany ve hiondrika eo amin’ny trottoir? Fantaro fa ny fandrosoana dia manomboka amin'ny fanapahan-kevitra kely isan'andro, hanatsarana ny fomba fiainana sy ny fisafidianana ny tsara indrindra ho an'ny tenanao sy ny ankohonanao.





Mentions Légales  |  © Lakroa Media 2026