Mety hoe tsy zatra izany ny ankamaroan’ny Malagasy noho ny rotoroto mahazatra isan’andro. Manoro hevitra àry ny mpitsabo fa tsara ny manana fomba fampihetseham-batana kely mitohy isan’andro, na isan-kerinandro. Ny mandeha an-tongotra, dia efa izy. “Tsy hoe ianao ilay mirotoroto maraina mamonjy lera iny akory dia hilaza hoe fanatanjahan-tena vita ho azy na ianao ilay manao dia maika mba tsy ho tratra alina, fa tena manokana fotoana mihitsy. Tsy mandefa fisainana fa tena alamina ny saina, mamindra ny tongotra, tsy mieritreritra olana, tsy mieritreritra ny ho tara!” hoy ny fanazavana.
Ho an’ireo efa nahazoazo taona, dia entina mandeha an-tongotra isan’andro amin’ny ora mitovy izy ireo. Raha ny soso-kevitra ara-pahasalamana iraisam-pirenena avy amin'ny Fikambanana iraisam-pirenena momba ny Fahasalamana (OMS), dia 30 minitra isan'andro farafahakeliny no tokony andehanana an-tongotra ho an'ny olon-dehibe. Ny soa ho an'ny vatana
• Fo sy lalan-dra: manampy amin’ny fandaminana ny tosi-dra ny fandehanana an-tongotra, miaro ny fo ary manatsara ny fikorian'ny ra.
• Fitantanana ny lanja: manampy amin'ny fandoroana ny tavy, ho an’ireo olona mahazoazo vatana, mampihena ny mety hisian'ny diabeta.
• Hozatra sy taolana: Mampatanjaka ny hozatra sy mampitombo ny herin'ny taolana ary tsy mora andairan’aretina ny olona manao fanatanjahan-tena. Ny soa ho an'ny saina
• Mampihena ny rarin-tsaina (stress): Mamoaka “hormones” mampifaly ny vatana rehefa mihetsika, izay mampihena ny tebiteby sy ny mety ho fahasorenana.
• Manatsara ny torimaso: Ny fihetsehana isan'andro dia manampy amin'ny fahazoana torimaso haingana sy torimaso mamerina ny hery.
• Fitadidiana sy hery: Mandrisika ny fifantohana ary mamelona ny fiasan’ny ati-doha.
Koa mazotoa isika mampiasa vatana, fa ny fikarohana dia mampiseho fa na dia 11 ka hatramin'ny 15 minitra monja isan'andro aza dia efa misy fiantraikany lehibe amin'ny fampihenana ny aretim-po sy ny tsy fahatomombanana ara-pahasalamana tampoka.