Ny fiandohan’ny tapaky ny volana septambra 2026 no nanaitra ny rehetra i Manantena Hajanirina Dinah, depioten’ny ao Ifanadiana, fa misy zaza am-polony no maty. Valanaretina no mitarika izao fahafatesana izao. Eo anatrehan’izany dia miantso ny minisitera tompon’andraikitry ny fahasalamam-bahoaka ity solombavambahoaka ity. Fasintsara sy Ampasinambo ary Maroharatra ao Ifanadiana no kaominina voalaza fa ahitana io valanaretina mahafaty io. « Zaza sy ankizy hatramin’ny 16 taona no tena voakasika », hoy ny solombavambahoaka.
Fantatra fa nanao tatitra ny sampan-draharaha eny ifotony. Miaiky tokoa ny minisitera fa nandefa tatitra ny sampan-draharaha eny ifotony. « Araka ny tatitra voaray teny ifotony, dia 18 ny fahafatesana voarakitra tao Fasintsara, raha 18 kosa tao Ampasinambo » araka ny fanamarihana nataon’ny minisitera eo amin’ny pejiny ao amin’ny Facebook. Nomarihany fa 14 tamin’ireo 18 maty tao Ampasinambo dia maty teny anivon’ny fiarahamonina ary ny efatra dia maty tao amin’ny tobim-pahasalamana. Fanamarihana toa milaza fa tsy tompon’andraikitra tamin’ny 14 maty ny sampan-draharaham-panjakana misahana ny fahasalamana.
Ny 19 septambra no nanao be midina ny minisitera. Ny minisitra no nitarika ny iraka tamin’izany. « Hatreto dia mbola tsy azo faritana ho aretina tokana ny anton’ireo fahafatesana, ary voalaza ihany koa ny fisian’ny aretina miara-miseho sy ny tsy fampian-tsakafo amin’ireo tranga sasantsasany » hoy ny minisitera. Tahaka ny fanao amin’ny iraka tahaka izao dia maka singa ny iraka. Mandefa ny singa hita tany an-toerana any amin’ny IPM na Institut Pasteur de Madagascar.
Milaza ny minisitera fa ekipa marolafy no tonga nanampy ny ao an-toerana. Ahitana mpiasan'ny fahasalamana sy teknisiana avy amin’ny sampan-draharaha samihafa ary ny mpiara-miombon’antoka. Ekipa ara-pahasalama manana traikefa. Ahitana mpitsabo manam-pahaizana manokana. Anisan'izany ny "pédiatres", no midina eny an-kianja. Nitondra sy nanampy ny fanafody, handray an-tanana ireo tranga mafy ary hanara-maso akaiky ny fivoaran’ny toe-draharaha ara-pahasalama io ekipa io.
Lesoka tsapa
Raha mamaky ny tatitry ny minisitera dia tsapa fa maivana ny fankaherezana ny mpiasan’ny fahasalamam-bahoaka miasa any ifotony. Tsy nisy ihany koa ny fihainoana an’ireo olom-boafidy ben’ny tanàna sy ireo sefom-pokontany. Tsy mba nisy koa ny fifampiresahana amin’ireo olobe na tangalamena na ny mitovy amin’izany eny an-toerana.
Manaitra ihany kosa raha ny sary nasehon’ny minisitera mitatitra ny fisian’ny iraka tany an-toerana. Teo amin’ny toerana natokana ho an’ny tera-bao (salle des accouchées) no manao fitiliana sy fitsaboana ireo iraka. Misy olona maro mitangorona eo. Sa ve tsy nisy tera-bao tamin’io fotoana io ?
Ny banga asehon’izao tranga izao dia tsy nisy izany lesona noraisina tamin’ireo olona efa ho 100 maty tany Ikongo tamin’ny taona lasa. Marina fa nisy fiovana teo amin’ny fitantanana ny firenena fa tokony mipetraka hatrany ny fitohizan’ny asa sy andraikitra (continuité de l’Etat) eo anivon’ny minisitera.
Hita ihany koa ny lesoka eo amin’ny tsy fampiasana ny mpampaneno lakolosy. Toa milaza fa ny resaka politika ihany no tena ilofosan’izy ireo sy iantsoana azy ireo. Nankaiza kosa ny fiarahamonim-pirenena ?
Mitaky
Isan’ny takiana ny famakafakana ahitana izany lesoka amin’ny fomba fiasa izany. Ohatra, fampitoviana ny zava-nisy tany Ikongo sy ity tao Ifanadiana ity. Ilàna fandraisana fepetra hentitra raha misy tandrevaka. Ny zava-misy tahaka izao dia mitaky fametrahana rafitra mpanara-maso mavitrika (cellule de veille opérationnelle et permanente).
Misy izany vanim-potoana ahitana ny aretina heverina ho tsotra mivadika ho valanaretina mamono olona marefo am-polony maro. Isan’ny fotoana tokony hiasan’io rafitra mpitily io ny vanim-potoana anaovana famadihana. Isan’ny fotoana ahitana valanaretina ihany koa io.