NEWS DEBAT MAGAZINE FEON'NY LAKROA MPIVAHINY

Fiainan'ny mponina

Amoronakona sy ny ambaran’ny anarany

Rasolo | 21 SEP 2026
Manao akory tokoa ny fanomezana anaran’ny tanàna na vohitra iray ?

Miainga amin’ny zava-misy ny fanomezana anarana tanàna na vohitra iray. Fantatra izany amin’ny anarana nomena an’Antananarivo. Eo koa ny anarana Tsiroanomandidy. Mifono tantara araka ny vanim-potoana. Misy koa ny anarana napetraka noho ny loko hita eo amin’ilay toerana tahaka ireo tanàna maro misy hoe ‘mena’. Matetika dia ahitana volamena ilay tanàna tahaka an’Andilamena ohatra. Ary ny anarana Miandrivazo ? Raha ny tanora ankehitriny no asaina mandrasa io anarana io dia hilaza avy hatrany ireo Gen Z fa miandry hira ny tompon-tanàna. Lavitry ny afo ny kitay. Kanefa ny mpikaroka dia milaza mazava fa miandry vadikely na manangy no tena ambaran’ilay anarana - deuxième bureau hoy ny fitenin’ny tanora.

Ary Amoronakona ?

Fa manao akory kosa raha Amoronakona no horesahina ? Nahazo laka teo amin’ny fampitam-baovao tokoa ny anarany.

Nisarika ny saina ny ranty navoakan’ny namana iray tao amin’ny rindriny ao anaty Fesiboky. Fesiboky io moa no nanagasiana ny anaran’io tambazotra iray io. Fa ilaina hagasiana koa ve ny anaran-tsamirery, anarana orinasa toy izao? Tsetsatsetsa tsy aritra iny. Ny fonosin’ny anarana Amoronakona no noresahany. Hoy Ralio Rakotovao hoe : « Amoronakona sa Amoronankona sa Amoron’Ankona na Amoron’Akona no tena anaran’ny toerana namoronana an’ilay toby fiantsonana ? »  Misy -N- sa tsisy sa faingo mihantona ? « Dieny izao dia mila mifanaraka tsara amin’ny tena anaran'ny tanàna na ny voanteny ampiasaina isika » hoy izy. Tsy ny grevy ihany no tokony hisarika ny saina aman’eritreritra. Mitombina ny voalazany.

Niala tamin’ny amin’ny Fasan’ny Karana izay lasa ho Fasankarana tsotra izao. Dia tonga eto amin’ny toerana ity. Inona no tena fototeny amin’ity anarana Amoronakona ity ? Io no tena maharesy lahatra azy raha ny anaran’ny toerana. « Ny fototeny eto dia hona », hoy izy. Io no tazana amin’iny manodidina ny toerana nanorenana io toby fiantsonana io.

Faritra iva no ahitana ny honahona. Ambohipeno no toerana avo tazana manodidina an’Amoronakona. Ambohipeno dia fokontany iray ao anatin’ny kaominina Ambohimanambola. Maro no mampalaza io toerana avo io. Tao no nipoiran’ny eveka malagasy voalohany (Mgr Ramarosandratana (1893-1957) izany. Hitanao amin’ny adiresy maro ny tantaram-piainany, ohatra ny Dictionary of African Christian Biography : Ramarosandratana, Ignace - Dictionary of African Christian Biography). Ao amin’io fokontany io ihany koa no ahitanao ireo fotodrafitrasan’ny Jirama.

Raha ny fanazavana nentin’i Ralio Rakotovao dia tanimbary ny ao ambany andrefan’Ambohipeno. Mikoriana eny koa Ampasimbe izay renirano avy any atsinanana, mamakivaky ny ivon’Ambohimangakely, mialoha ny hihaonany amin’Ikopa. Ny fitambaran’ireo renirano sy ny tanimbary ankehitriny ireo no miteraka amin’ny ampahany an’‘Akona’ (honahona). Ankoatra an’Ambohimanambola dia misy kaominina mifandray amin’ny Toby fiantsonana Amoranakona dia Ambohimangakely ary tsy lavitra eo Alasora.

Voahaja ve ny paipaika momba ny fanarahana ny torimarika fanajana ny tontolo manodidina ? Izany hoe, nahazo ny « permis environnemental » ve ny fananganana io toby io ? Isan’ny tokony hahasarika ny sain’ny maro tokoa izany. Hivelatra izany ny manodidina ary atsy ho atsy, tsy ho ela dia trano maro no hijoro eny. Hitombo ny mponina. Manao akory ny fikorianan’ny rano (assainissement) ? Mety ho ankona ny tsirairay hahita ny voka-dratsy raha sanatria ka... Loha dinika hafa izany fa atsidika dieny izao.

Farany, ary inona kosa no fonosin’ny anaran’ny tanànanao ?

Galerie photo

Photo 1




Mentions Légales  |  © Lakroa Media 2026