Tsy mifidy taona na maha lahy sy vavy ity tranga ity, fa na ankizy na olon-dehibe, mety hisy hotadiavina daholo. Nalaina an-keriny, naolana, natao sorona ? Toa mangina ny tranga taorian’ireny fahafatesana hafahafa ireny taorian’ny fetim-pirenena. Fa nirongatra indray tamin’izao volana septambra izao. Misy ny fatiny no hita ary azo an-tsaina fa niharan’ny herisetra tany ho any. Sanatria ve sangy mihoatra ny loha ataon’ny ratsy saina ho fiarovana tombontsoa manokana sy fitiavan-tena ka rebirebena amin’ny zava-mamoa-doza tahaka izao ny vahoaka, tsy hisaina ny fiovana andrandraina ? Anaovana fakana an-keriny ? Anaovana fampihorohoroana ? Anaovana sorona ? Soron-biby no fahita fa ny sorona olombelona, na ny Tompo Andriamanitra aza tsy namela an’izany raha ny tranga tamin’ny tantaran’i Abrahama saika hanao sorona an’i Isaka zanany, noho ny fanoavany ny tenin’ny Tompo. Fa amin’izao vaninandro izao, misy manaingo teny ho ambonin’ny Tompo Andriamanitra.
Tsy dia zava-baovao ny tranga mampisavoritaka sady mampalahaleo tahaka izao fa ny vanim-potoana no miova. Mpaka fo e. Mpaka taova e ! Fanaovana sorona e ! Ankoatra izany, misy ihany koa ny lonilonim-piarahamonina miafara amin’ny valifaty ka sahy mamono ny mpiara-belona aminy, toa ilay miaramila miaro olona ambony eto amin’ny tany sy ny fanjakana, nitifitra ka nahafaty ny rafozam-baviny tao Antananarivo, tamin’ny 16 septambra teo. Tamin’io fotoana io koa no nahitana ny fatin’ny mpirahalahy teny amin’ny ranon’Ikopa, i Tiavina sy i Tahiry, tsy hita nanomboka tamin’ny 11 septambra. Tena loza tsy roa aman-tany ! Na ahoana anefa na ahoana, samy mihoatra ny loha ireny tranga ireny satria ny hasin’ny aina no voatohintohina. Aina izay an’ny Tompo Andriamanitra irery ihany. Very fanahy marina ve isika ka tsy miraharaha intsony izay aina nomen’Andriamanitra antsika olombelona ? Hihavao mankamin’ny fandriam-pahalemana marina ve sika raha ny sehon-javatra ankehitriny no dinihina ?