“Mialisoa, mpianatra mipetraka ao Mahazo Antananarivo, mamonjy ny Lisea any ampovoan-tanàna isan’andro. Amin’ny 6 ora maraina dia efa tsy maintsy ao anaty fiara fitateram-bahoaka handeha hiditra amin’ny 7 ora, raha tsy izay, dia tara noho ny fitohanan’ny fifamoivoizana eo amin’ny Meteo sy Besarety. Ny hariva indray, betsaka ny ora tsy ianarana (heures creuses) ka voatery mirava amin’ny 5 ora sy sasany. Eo vao tena tantara koa ny fakana taksibe sy ny fitohanana. Amin’ny 7 ora vao tonga ao an-trano raha haingana indrindra, voatery mandeha an-tongotra aza indraindray rehefa tsy mahazo bus. Isan’andro toy izany no iainan’ity tanora vao erotrerony ity. Toa azy, any Ampitatafika no mody ry Tsiry, mpianatra eny Ankatso. Mbola vao mangiran-dratsy dia efa miainga ao an-trano, ary maizim-be vao tonga ny alina. Misy fotoana adiny 2 eo Anosizato. Tena hoe mitokona miandry ny double handeha. Ny double moa dia ilay fomba fandrindran’ny polisy sy zandary ny fifamoivoizana amin’ny lalana sasany eto an-drenivohitra, ka ampiatoana ny avy amin’ny ilan’ny arabe (ohatra, ny avy any Andrefana) mba handehanan’ny avy any amin’ny andaniny (ohatra, ny avy any Atsinanana) manao laharan-droa. Araka ny fanazavan’ireto mpianatra ireto, dia tena rotoroto. Izay tokoa angaha ilay hoe valala tsy azo raha tsy andrian’ilika ! Saingy tokony hojerena ihany ny lafiny fitaterana, mba tena hanasoa ny besinimaro, araka ny maha serivisim-bahoaka azy.
Ireny bus Foton, avoaka sy ampidirina ireny, tsy azo ahetsika hitsinjovana ny mpianatra tratra hariva voatery mody lavitra ve? Tsy sarotra avahana ny mpianatra fa manao tablier izy ireo, mibaby kitapo. Tsy mahay mifanaja ny fiarahamonina, na mahita mpianatra kely aza mbola sahy misisitsisika sy manosika ny sasany. Mbola lavitra ezaka ny fifanabeazana kanefa ny sekoly vonjena isan'andro ka sao lahy mba tokony hodinihina ihany eny anivon'ny koperativa ny fametrahana taksibe mitondra ny mpianatra? Fanavaozana isika izao, ka ilay fitateram-bahoaka io tena mila rafitra manavao azy.