NEWS DEBAT MAGAZINE FEON'NY LAKROA MPIVAHINY

Fanabeazana sy Fampianarana

Tsy maintsy hanadinana amin’ny Bepc ny Taranja Anglisy

Fanantenana | 18 SEP 2026
Nofoanana tanteraka ny fisafidianan’ny mpiadina ny option A na option B ho an’ny fanadinana Bepc amin’ity taom-pianarana vaovao 2026-2027 ity. Noho izany, mitovy avokoa ny taranja atrehin'ny mpiadina rehetra, raha ny fanazavana. Lasa taranja tsy maintsy atao ny anglisy, raha afaka nisafidy tsy hanao azy teo aloha.

Araka ny fantatra, hisy koa ireo taranja roa vaovao hampidirina ao anaty fandaharam-pianarana. Ny Fanabeazana ho Olom-pirenena Vanona (FOV), izay kendrena hampianatra ny fitiavan-tanindrazana, ny lalàna mifehy ny fiarahamonina, ny soatoavina malagasy, ary ny andraikitry ny tanora amin'ny maha olom-pirenena azy. Manampy izany ny zava-kanto (arts), izay taranja ahitana ny sokajy kanto amin’ny zavatra jerena (Arts visuels), ny mozika, ny dihy, ary ny tantara tsangana (théâtre). Miara-dalana amin'ny fanafoanana ny sokajy A, C, D eo amin'ny fanadinana bakalorea, izay lasa L, S, OSE manomboka amin’ity taom-pianarana ity ny fanafoanana ny option A sy option B ho an’ny Bepc.

Vonona?

Misy maneho ny ahiahiny amin’ny mety tsy hahatomombana tsara ny fahafahana manatanteraka ireo taranja vaovao sy fiovana napetraka ireo ny sekoly, satria efa nanomboka ny taom-pianarana vao fantatra izany, araka ny fitarainana. “Tokony ho dieny mialoha dia efa nalefa ny programa vaovao sy ny PE satria mila fahavononana ny mampianatra, fa tsy azo atao peta-toko io. Indrindra fa mbola fanamby ho an'ireo sekoly maro any ambanivohitra ny resaka fampitaovana amin’ireo taranja vaovao. Hatramin’izao aza efa niditra ny mpianatra saingy mbola manahirana ny fahazoana ilay PE, satria version électronique no azo angatahina, raha ny loharanom-baovao. Vao mainka ho sahirana ny tany tsy misy herinaratra, sy tsy ampy fitaovana ary tsy ampy mpanabe. Marihana fa ny 5 ka hatramin'ny 8 jolay 2027 ny fanadinana Bepc no hotanterahina manerana ireo fari-piadidiam-pampianarana eto amin’ny Nosy. Noho izany, mikisaka ho amin’ny 1 jolay ny fialan-tsasatra lehibe ho an’ny mpianatra. Raha ny fomba fijery ara-pedagojia, mitaky asa mafy sy ezaka avy amin’ny mpianatra sy ny mpampianatra ny fanovana toa izao. Manaitra mafy ny tompon’andraikitra koa mba hidina ifotony hahita ny tena maika sy laharam-pahamehana hanatsarana ny fampianarana ny zana-bahoaka.





Mentions Légales  |  © Lakroa Media 2026