NEWS DEBAT MAGAZINE FEON'NY LAKROA MPIVAHINY

Fahasalamana sy fiainana

‎Fahadiovan'ny helika

Tsiory | 18 SEP 2026
Ny fofona mahery avy amin’ny helika dia mety hateraky ny hatsembohana sy ny bakteria eo amin’ny hoditra. ‎Mahagaga ihany anefa ny tsy ahenoan'ny tompony azy, ary raha heno ve dia avelany fotsiny amin'izao?

"Tao anaty taksibe, andro alakamisy, indro madamakely mampinono an-janany. Niakatra ny hafanana satria somary nipoaka ingahibemasoandro tamin'io fotoana io. Vao nihetsika kely àry ity madama, tonga dia nidofaka ny fofon-keliny, tsy laitra niainana. Nisalebolebo mihitsy aho mandra-piala. Nalahelo ity zazakely koa, izay mety ho voky fofon-kelika toa izany isan'andro." hoy ity tovovavy. Tsy izy irery no mety ho tojo tranga toa izany ka mahavelom-panontaniana hoe misy tsy mba nampianarina hidio ve ny olona sa maninona no dia voredretra ohatran'io? ‎

Tokony ho afaka rehefa midio ‎

Ny fofona mahery avy amin’ny helika dia mety hateraky ny hatsembohana sy ny bakteria eo amin’ny hoditra. ‎Mahagaga ihany anefa ny tsy ahenoan'ny tompony azy, ary raha heno ve dia avelany fotsiny amin'izao? Asa re fa noho ny zava-misy toa ity tranga iray ity, dia entanina sy beazina hatrany ny mpianatra handro, hisasa helika tsara isan’andro, indrindra rehefa avy manao fanatanjahan-tena. ‎Mety ho taratry ny fahatapahan-drano ny fofon-kelika hatrany am-pianarana, hatrany anaty taksibe, saingy mila miezaka mikarakara vatana isika. Miezaka midio satria ny fahazarana manao madio tsara dia fiahiana ny tena, fanajana ny hafa, fanehoana fankasitrahana noho ny aina nomen’Andriamanitra. Azo atao ny manosotra alamo, na ireny “deodorant” amidy ireny, rehefa madio tsara. Fantaro ihany koa fa ny voasarimakirana dia manafaka ny fofon-kelika ratsy. Zaraina roa, hosorana fotsiny eo amin'ny faritry ny helika madio. ‎Mila tandrovana mandrakariva ny fahadiovan'ny vatana fa anisan’ny fototry ny fahasalamana izany na ho anao na ho an'ny manodidina anao. Raha toa kosa efa midio, mampiasa zavatra nefa mbola tsy afaka ihany ny fofona, dia mila manatona mpitsabo.





Mentions Légales  |  © Lakroa Media 2026