Mailo
Tsy mampiasa "casque" rehefa miampita arabe na eny amin’ny toerana mety hampidi-doza, satria mila mandre tsara ny zava-mitranga manodidina antsika isika. "Tsy nandre izay ambonin'ny tany aho satria nidoboka be ilay "casque" vao azoko hay ilay fiara efa ela ni-klaxone ahy tao aoriana! Izaho amin'io efa tafalatsaka anaty arabe saingy tsy tonga saina", hoy i Hiacynthe, tanora mifampizara. Misy ankizy koa variana mihaino hira ka lasa mora ambakain'ny mpanao ratsy satria very ilay fahamailona rehefa misy mitatatata tsy an-kijanona eo am-poto-tsofina eo. Miraikiraiky ho azy eo, dia lasan'ny olona hatramin'ny finday. Tsy tonga saina avy eo raha tsy any an-trano.
Fahasalaman'ny sofina
Tsara ny manamarika fa raha avo loatra ny feo na ampiasaina mandritra ny fotoana lava ireny "casque" ireny, dia mety hanimba ny sofina satria mety hampihena ny fahafahana mandre. Mahafinaritra be ny mozikan-dry Chantal Michaondrahondra, sy ny zanak'Antesaka an'i Sakaté Boy, azo tehirizina anaty finday henoina amin'ny fotoana rehetra mihitsy ireny hira malaza ireny, miampy izay hira rehetra ankafizina manokana saingy tsara ny mampihena ny feo, ary indrindra miato matetika rehefa tsy maintsy mampiasa "écouteur". Aiza ka ny an'ny sasany, efa tafiditra ny faritry ny sekoly, hamonjy fianarana mbola tsy miala eo an-tsofina ihany ilay zavatra. Aza avela ho tonga loharanon-doza ny zavatra natao hampifalifaly anao.