Ao anatin’ny fahasahiranana samihafa eo amin’ny fiarahamonina no iatrehan’ny ray aman-dreny sy ny mpianatra an’izao fidirana izao. Na ny sekoly sy ny mpampianatra koa aza dia samy mahatsapa izany. eo aloha ny fahasarotan’ny vidim-piainana. Misondrotra ny vidin’ny fitaovam-pianarana. Misondrotra koa ny saram-pianarana. Tsapa ho samy mijery izay marimaritra iraisana ihany ny tompon’andraikitry ny sekoly amin’ny sarany asaina aloan’ny ray aman-dreny, fa mbola maro ireo tsy maharaka. Na ny eny amin’ny sekolim-panjakana aza moa dia misy ihany ny vola aloa amin’ny fidirana.
Etsy andanin’izany, lafiny iray tsy itovian’ny hevitra eo amin’ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena sy ny Sekoly tsy miankina amin’ny fanjakana ny fivoahan’ny lalàna mamaritra ny fanadinana Bakalorea manomboka amin’ity taona ity. Araka ny Didim-panjakana (Décret) laharana faha-2026-2100 tamin'ny 31 aogositra 2026, izay nanova sy nameno ny Didim-panjakana laharana faha-2021-242, dia tsy hisy intsony ny series A, C, D manomboka amin’ity taom-pianarana divina ity.
Tsy vonona amin’izany izahya hoy ny avy amin’ny sehatra tsy miankina. Ny ankilany anefa milaza fa efa taona maro no nanaovana andrana ny series L, S, OSE. Mitady ny valin’ny andrana natao ny avy amin’ny tsy miankina ary mangataka ny hanombohana ny fanovàna miainga any amin’ny kilasy faharoa (seconde). Ny avy amin’ny minisitera kosa nampahafantatra fa dingana tsy maintsy horosoana izy ity.