Tsy hisy ny tombo sy ala fa andrasana avokoa ny olom-pirenena rehetra haneho ny heviny mba ho teny miainga avy any ifotony, izany hoe avy amintsika tsirairay ny tena fanavaozana.
Etsy adanin’izany, nandray an’ireo sokajin’olona samihafa teny amin’ny Lapan’Iavoloha, ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, nidinika miaraka aminy momba ny fanatanterahana ny fifidianana.
Efa noraisin’ny filoha ny antoko politika samihafa, ny tanora, ny mpitondra fivavahana, ny parlemantera, ny fiarahamonim-pirenena, ny filoham-pirenena sy filoham-panjakana teo aloha sy ny maro hafa. Tsiahivina fa manaraka an’ity fandraisan’ny filoha ny ankolafy samihafa ity ny solontenan’ny Fianakaviambe iraisam-pirenena.
Rehefa zohiana dia fifidianana izay ho filoham-pirenena ity hirosoana amin’ny volana jolay 2027 ity. Izay moa no toky nomena ny Fianakaviambe iraisam-pirenena amin’ny alalan’ny Sadc. Misy ihany koa anefa ny feo avy amin’ny mpikambana amin’ny Governemanta, nampahafantatra fa fitsapan-kevi-bahoaka mikasika ny Lalàm-panorenana no hatao aloha.