Tontosa ny 9 Oktôbra 2026 tao Antananarivo, ny fanaovan-tsonia ny fanavaozana ny fifanaraham-piaramiasa teo amin’ny roa tonta izay nanitatra izany ho telo taona. Nanao sonia izany Atoa Serge Andrianaivoravelona, Director External Affairs and Security, ao Ambatovy, sy ny Général de Division Gabriel Ramanantsoa, Tale Jeneralin’ny BNGRC. Tamin’ny volana aprily 2022 no natao sonia ny fiaraha-miasa teo amin’ny roa tonta ary navaozina voalohany ny volana aogositra 2023 ity fifanaraham-piarahamiasa ity izay mamaritra ireo fomba fiarahamiasa eo amin’Ambatovy sy ny BNGRC mikasika ny fanatontosana ireo asa hitantanana ny tandindondoza indostrialy. Tafiditra amin’izany ny fandrafetana sy fanavaozana ny drafitra manokana ho an’ny vonjitaitra (PPI) ho an’ny distrikan’i Moramanga sy ny Prefektoran’i Toamasina ary ny fanatanterahana fanazaran-tena hitsapana ny fahombiazan’ireo drafitra ireo.
Fanamafisana ny fahaizamanao eo amin’ny lafiny fitantanana ny tandindondoza, ny loza, ny hamehana ho an’ireo mpikambana ao amin’ny « Comité District de Gestion des Risques et des Catastrophes (CDGRC) » ao Moramanga sy ny « Comité Préfectoral de Gestion des Risques et des Catastrophes (CPGRC) » ao Toamasina. Tsara sy mety hatrany ny miomana amin’ny loza mety hitranga, indrindra vao haingana isika no niharan’ny loza tao Toamasina ny taona lasa teo.