NEWS DEBAT MAGAZINE FEON'NY LAKROA MPIVAHINY

Fiainan'ny mponina

Manome fahafaham-po ny mpanjifa

Raharinirina | 12 OCT 2026
Nampahafantarin’ny orinasa MVola, teny Akorondrano, ny zoma 2 oktobra lasa teo ny laharam-pahamehana sy fanatsarana amin’ireo tolotra ataony. Misy fanatsarana ny rafitra fandoavam-bola amin’ireo mpivarotra ka 0 Ar ny sarany ho an’ny mpanjifa.

« Efa ao anatin’ny fiainan’ny Malagasy andavanandro ny fampiasana ny MVola. Handroso bebe kokoa hatrany no tanjona. Hanamora hatrany ny fampiasana azy, hanaisotra ireo sakana amin’ny fandoavam-bola, ary hihaino bebe kokoa ny mpanjifanay mba hahafahanay mampivoatra ny tolotra miaraka amin’izy ireo ». Izany no nolazain’ny tompon’andraikitry ny Orinasa MVola.

Nampahafantarin’ny orinasa MVola, teny Akorondrano, ny zoma 2 oktobra lasa teo ny laharam-pahamehana sy fanatsarana amin’ireo tolotra ataony. Misy fanatsarana ny rafitra fandoavam-bola amin’ireo mpivarotra ka 0 Ar ny sarany ho an’ny mpanjifa. Misy ny application vaovao amin’ny rindran-damina MVola, ho hampiasan’ny mpanjifa.

Ireo fanovana ireo dia miompana amin’ny fanatsarana hatrany ny traikefa amin’ny fampiasana MVola, mba hifanaraka akaiky kokoa amin’ny fomba fampiasan’ny Malagasy sy ny filàn’izy ireo.

Araka ny fanambaran’ireo tompon’andraikitra ao amin’ity orinasa ity, notarihin’ny tale jeneraly vaovao, Alexandre Castel, dia miezaka hihaino ny mpanjifa izy. Hitohy hatrany ny fampiasana ny fanehoan-kevitra avy amin’ny mpanjifa ho fototry ny fanavaozana ny rindranasa, amin’ny alalan’ny fanitsiana sy fanatsarana samihafa.





Mentions Légales  |  © Lakroa Media 2026