Afaka nijery mivantana tao amin’ny fahitalavitra ny mpitia kitra. Betsaka koa ireo fampielezam-peo no nitantara mivantana. Hita sy re tamin’izany fa ny Barea no namono baolina voalohany teo amin’ny minitra faha 16. Ehsan Kari no namono tamin’ny lohany io baolina tokana io. Nahafaty baolina kosa ny Nizerianina talohan’ny firavan’ny fidiran’ny voalohany. Nisaraka tamin’ny isa 1-ny roa tonta teo am-pialan-tsasatra. Rehefa nizotra ny fidirana voalohany dia tsapa fa hitan’ny mpanazatra nizerianina ny lesoka tao amin’ny Barea. Teo koa ny tandrevaka nataon’ny Malagasy, indrindra i Rayan. Tsy nahafaty ny baolina izy raha nifanatrika tamin’ny mpiandry harato nizerianina. Matetika rehefa tahaka izay dia misy fahadisoam-panantenana eo amin’ny ekipa iray manontolo. Nahay nanararaotra izany i Nizeria ka nahafaty ny baolina faharoa nahazoany ny fandresena.