NEWS DEBAT MAGAZINE FEON'NY LAKROA MPIVAHINY

Politique

Fihaonan’ny FFRM sy ny diaspora any Amerika Avaratra

Rasolo | 29 SEP 2026
Tontosa ny alarobia 23 septambra 2026 ny fihaonana teo amin’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara (FFRM) sy ny Malagasy mila ravinahitra any Amerika avaratra. Tao New Jersey izany no natao (firenena mifanila amin’ny tanànan’i New York).

Efa tamin’ny 8 ora alina tany an-toerana izany hoe ny alakamisy 24 septambra tamin’ny telo maraina no nanatanterahana ny fihaonana. Afaka nametraka fanontaniana avokoa ny tsirairay. Voaresaka tao daholo ny lafim-piainana aty Madagasikara. Ohatra momba ny fitsanganan’ny VFM izay tsiahivina fa depiote mpanohana ny filoha Rajoelina no ankamaroan’ireo nanangana azy. Isan’ny fanontaniana nipetraka tamin’ny FFRM ny momba io VFM io sy ny fanohanany ny tenany sy ny fanavaozana. “Tsy afaka manakana na mandrara izay te hanohana ahy aho”, hoy ny Filohan’ny Fanavaozana.





Mentions Légales  |  © Lakroa Media 2026