NEWS DEBAT MAGAZINE FEON'NY LAKROA MPIVAHINY

Sport

Lavo i Maître Kira

Donga | 29 SEP 2026
Nindaosin’ny fahafatesana i Maître Kira. Notaizain’aretina fotoana naharitra izy, ka niafara tamin’izao fahafatesany izao.

Nalaza tokoa i Maître Kira raha ny baolina kitra no resahana. Nanana tongotra havia namery ireo mpifanandrina taminy izy. Vao 18 taona ity kalaza ity dia efa voantso nandrafitra ny ekipam-pirenena. Izy no zandriny indrindra tamin’izany fotoana izany. Naharitra teo amin’ny 15 taona teo no niantsoana azy hilalao tao amin’ny ekipam-pirenena. Raha ny ekipa nisy azy kosa dia ny ekipan’i Besakoa Toliara no nilalaovany voalohany avy eo tao amin’ny ASPTT. Tao amin’ny Association Sportive Corps Enseignant kosa no tena nampalaza azy satria dia intelo izy no tompondakan’i Madagasikara tao anatin’io klioba io. Klioba nanana mpilalao kalaza tao amin’ny vody laharana nanidy ny trano nisy an’i ‘Fil de fer’ na i Denis Saotra no tena anarany, tao afovoany nahitana an’i “Kaka kely fa tsy tana” ary Maître Kira no lohalaharana. Raha tafaresaka taminy fahavelony dia isan’ny alahelony ny nanakanana azy tsy hilalao tany ivelany tahaka ny fahita amin’izao fotoana izao. 76 taona izy izao lavo izao. Nampitondraina ny anarany ny kianja filalaovana baolina ao Toliara. Handry am-piadanana anie ny fanahiny.





Mentions Légales  |  © Lakroa Media 2026