NEWS DEBAT MAGAZINE FEON'NY LAKROA MPIVAHINY

Politique

Andro tsy hiasana ny 25 septambra 2026

| 23 SEP 2026
Araka ny fampahafantarana navoakan’ny Minisiteran’ny Asa, ny Fampananana asa ary ny Asam-pajakana, dia natokana ho andro fahatsiarovana ary andro tsy iasana nefa handraisana karama ny 25 septambra.

Namoaka didim-panjakana ny fitondrana fanavoazana, ny talata 22 septambra teo, fa natokana ho andro fahatsiarovana ireo mpiray tanindrazana namoy ny ainy sy niharam-boina nandritra ny hetsi-bahoaka ny taona 2025, ny zoma 25 septambra 2025. Ankoatra izay dia hisy ny hetsika fahatsiarovana hotanterahina ao Antananarivo sy any amin’ny faritany dimy hafa, hiarahana amin’ny fitondram-panjakana. Ny fitondrana dia manaitra ny mpampiasa rehetra mba handray ny fepetra mifanaraka amin’izany ho fanajana ny fiombonam-po amin’ireo fianakaviana namoy havana sy ireo niharam-boina. (didim-panjakana laharana 2026-2212)





Mentions Légales  |  © Lakroa Media 2026