Nitafa tamin’ny mpanao gazety tao Antananarivo ny depiote Manantena Hajanirina Dinah izay lany tao Ifanadiana. Nilaza izy fa ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara no nanome azy angidimby ka nahafahany nitondra fanampiana vonjy taitra (fanafody…) ho an’ny mponina eny ifotony misedra ilay valanaretina. Ary andro vitsy taoriana dia nidina teny koa ny minisitra sy ny delegasiona niaraka taminy avy ao amin’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Araka ny resaka nataon’ity depiote ity tamin’ireo mpanao gazety dia niaiky ny minisitra fa nahazo tatitra tokoa. Nilaza ampahibemaso ny minisitra, tanaty kabary nataony teny an-kianja, fa nahazo tatitra ary diso izany tatitra izany. Nilaza koa ny depiote fa tafakatra 45 ny maty araka ny tatitra nataon’ireo mpiandraikitra eny ifotony.
Misy vaovao mifanipaka izany eto. Ny ranty avoakan’ny pejin’ny minisitera dia milaza fa 36 no maty. Soritana kosa aloha fa nanipika ny depiote fa aleo izay tarehimarika avoakan’ny minisitera ihany no raisina. Ny ranty navoakan’ny minisitera koa dia tsy nanamafy io voalaza io fa nisy tatitra diso tonga eny amin’ny minisitera. Miandry isika. Fa na inona na inona no marina dia ilaina ny manolo ny mpiandraikitra ara-pahasalamana eny ifotony mba hanome ainga vao ny fomba fiasa.