Nafindra eny Amoronankona ny tobim-piantsonana Fasan’ny Karana, ireo mpitatitra sy mpandeha hihazo ny RN 7. “Efa aty izahay no miasa nanomboka ny 16 septambra. Mbola misy olona 16 nosamborina any, tamin’ny fihetsiketsehana nataonay, olona 2 amin’ireo tena mpitarika ny hetsika fitakiana ny fijanonanay teny amin’ny Fasan’ny Karana”, hoy ity mpanera iray miasa amin’ny koperativa. “Henjana be ny fitohanan’ny fifamoivoizana mankaty, hoy hatrany izy, fa aleo mandeha lamasinina eo Soarano, na Soanierana, dia eo Amoronankona mihitsy no miala, fa misy gara fialana eo. Afaka mitondra entana ny lamasinina”. Misy koa ireo fiarabe Foton tazana satria nahetsika hitondra ny olona mivezivezy mankany. Manoloana ny fitombon’ny fitohanana lavareny amin’ny lalana By pass, Alasora, Amoronankona dia nampiantso fivoriana tao amin’ny Gara, ny marainan’ny 18 septambra, ny ben’ny Tanànan’Alasora, niarahana nitady vahaolana. Nanatrika izany ny solontenan’ny Minisiteran’ny Fitaterana, ny ATT, ny mpitandro filaminana avy ao Alasora sy ny CUA, ny Concessionnaire Gare Routière, niaraka tamin’ny Polisy Kaominaly Alasora. Tanjona ny hampilamina ny fifamoivoizana na mihabetsaka aza ny mampiasa iny lalana iny.