NEWS DEBAT MAGAZINE FEON'NY LAKROA MPIVAHINY

Ho any New York ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika

Fara | 17 SEP 2026
Anisan’ireo filoham-pirenena sy filoham-panjakana handray anjara amin’ny Fivoriambe faha 81 an’ny Firenena Mikambana ny kolonely Randrianirina Michaël, filohan’ny fanavaozana ny Repoblika. Ny 22 hatramin’ny 26 septambra ho avy izao no haharetan’ny fivoriana an-tampony amin’io fihaonana iraisam-pirenena io. Hisy kosa ny andro famaranana ny fivorina, ny 28 septambra.

Herintaona aty aorian’ny nisian’ny fihetsiketsehana teto Madagasikara, ka nahatonga an’i Andry Rajoelina, filoha am-perinasa tamin’izany fotoana izany, handao ny fitondrana ka handositra tany ivelany, dia ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika no hisolo tena an’i Madagasikara any amin’ity fivoriana ity. Ny kolonely Michaël Randrianirina, izay tsiahivina fa nandray ny fahefana taorian’ireny krizy nolalovan’ny firenena ireny, ary nahazo ny fankatoavan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàm-panorenana.

Roambinifolo volana no lasa. Niova amin’ny ampahany ny toe-draharaha eto Madagasikara. Hafa ny olona any amin’ny fara-tampon’ny fitondrana. Ny rafitra nijoro tamin’ny fitondrana teo aloha kosa, mbola eo ihany. Anisan’izany ny  Fitsarana Avo momba ny Lalàm-panorenana sy ny Antenimieram-pirenena. Navela teo ireo sy ny rafitra lazaina fa “mahaleotena” toy ny CENI, mba hilazana fa manara-drafitra ny fitondrana tetezamita ankehitriny. Ny tsy hahavotsotra ny fanampiana avy amin’ny mpamatsy vola avy any ivelany no tena tanjon’izany.

Ankehitriny, manan-kambara manoloana ny toe-draharaham-pirenena eto Madagasikara ny fianakaviambe iraisam-pirenena, ka ny SADC sy ny Firenena Mikambana no tena mitondra teny amin’izany. Ny fizorana amin’ny fifidianana handraisan’ny rehetra anjara no votoatin-keviny. Ho fankatoavana izany dia nidinika tamin’ireo ankolafin-kery samihafa ny mpitondra. Mivezivezy eran’ny vazan-tany efatra ihany koa, mihaona amin’ny mpitondra samihafa amina firenena maro.

 Anisan’ny fitadiavana fankatoavana sy fanehoana finiavana hiara-miasa amin’ny rehetra ity dia any New York ity. Etys andanin’izany, fantatra koa fa hisy ny fihaonan’ny filoha amin’ireo Malagasy monina any an-toerana. Andrasana ny daty handraisan’i Michaël Randrianirina fitenenana ao amin’ny Fivoriamben’ny Firenena Mikambana. Na izany na tsy izany, misy olana maro no tsy mbola voavaha eto an-toerana. Anisan’izany ny olan’ny tsy fandriam-pahalemana sy ny olan’ny fahatapahan-jiro sy rano.





Mentions Légales  |  © Lakroa Media 2026