P. Prospère |
24 NOV 2026
Ny fitondrana moa milokaloka fa hiady amin’ny kolikoly ary samy nitandahatra tamin’ny fahitalavitra nilaza ny paikadiny ny minisitra tsirairay. Ireny no midika fa ny sehatry ny asam-panjakana no voromotika, sy lomorona amin’ny fambotriana vahoaka toy izay hanasoa ny mpiara-belona.
Tsy mahagaga raha re ombieny ombieny ny fitarainana etsy sy eroa momba ny fitsarana sy ny raharahan-tany. Tsy mbola natao handamina firenena ny lalàna ary tsy mbola fototra mifehy ny fiaraha-monina tsy misy raorao. Ny fitsarana sy ny lalàna ary ny fanapahan-kevitra mihitsy no fototry ny raorao ara-piarahamonina. Dia hoy ny Professeur Ranjeva teny amin’ny CCI Ivato : « fa ho anareo inona no atao hoe lalàm-panorenana ? ». Any amin’ny fikaonan-doha mandinika izany !!!
Ny CCI Ivato moa dia nanapa-kevitra ny fanamafisana ny firosoana amin’ny fifidianana satria eto amintsika rehefa fifidianana no resahana dia resaky ny samy politika izany. Ilay lalàm-panorenana anefa tsy misy. Ilay rafitra napetrany potiky ny fahalovana ; ilay fandaminana sy fitantanana, mikorontana ambony ambany ; ny vahoaka any ifotony, tany lavitra andriana… ny iraisam-pirenana, toy ny SADC sy ny Vondrona Afrikanina rahateo manamafy ny fiverenana amin’ny « ordre constitutionnel »… fifidianana ihany, fifidianana hatrany !
Fa ny kolikoly manjaka amin’ny firenena dia ilay fandaniam-bola tsy mitondra vokatra. Ireo sokajin’olona mikaon-doha etsy sy eroa na politika na sehatry ny fanjakana anefa no tena mikirakira ny vola. Koa raha nitrosa tsy namokatra dia ny rafi-pitantanana no mila fanaraha-maso sy fifehezana matanjaka. Heverina fa tsy sarintsariny koa ireny lokaloka ady amin’ny kolikoly fahalovana ireny.
Koa sehatra maro no mikorontana sy mila fanovana eto amin’ny firenena. Santionany ny filazan’ny mpamatsy vola, solontenan’ny FMI fa be ny olana fototra efa an-taona maro tsy voavaha. Ny famatsiam-bola nefa mitobaka, ny fanjakana tsy manana politika mazava hamahana olana. Dia santionany ny fepetra apetraky ny mpamatsy vola mba handrafetana politika ilain’ny firenena. Saingy sahirana isika. Ny fifandraisana amin’ny firenen-kafa aza toa mikisaka tsikelikely aty amin’ny Ranomasimbe Indianina sy ny lakan-dranon’i Mozambika ny ady ifanaovan’ny matanjaka. I Rosia sy Etazonia no nalaza tato ho ato noho ny fandalovan’ny Jeneraly John Brennan, olona manana ny lanjany amin’ny fibaikoana andian-tafika aty Afrika ho an’ny Amerikanina.
Manahy ny Amerikanina noho ny safidin’ny mpitondra nitodika amin’ny Rosia, mampahatsiaro azy ireo ny fitondrana sosialista sy ny fanesorana azy ireo teo amin’ny NASA Imerintsiatosika, nanjary Nouvelle ville. Olana jeopolitika miaramila anefa no tena ipetrahan’ny ahiahiny, noho ny raharaha ao amin’ny heli-dranon’i Ormuz kanefa ny toby famaharany ara-tafika ao Diego-Garcia no mila famatsiana sy mitady lalana hivezivezen’ny sambo mpiady. Madagasikara ve afaka miaro izany fivezivezena izany ?
Io fanontaniana io no mampirongatra ny ahiahin’i Frantsa izay mbola mihevitra fa tompon’ny laka eto Madagasikara sy ato anivon’ny Ranomasimbe Indianina. Ny « îles éparses » rahateo mbola eo an-tanany. Isika mbola tsy tonga amin’ny hoe « ranomasina valam-paria » fa ny adin’akoholahy ao an-kijana no mahavariana. Ho toby famaharan’iza indray izany ilay Nosy Tanindrazako ?
Mba manan-ko lazaina amin’izany ve ny eny ifotony ? Eo indrindra no teraka koa ilay fanambaran’ny Eveka sy ny Justice et Paix, mahakasika ny raharaham-pirenena. « Aoka mba tsy ho fikaonan-doha sarintsariny, fa tena hakana ny hevitra sy hihainoana ny eny ifotony ». Tsy ireo mihetsiketsika eto Antananarivo ihany no vahoaka mila fiovana. Narahan’ny fihaonamben’ny pretra tao Antsirabe moa izy iny ka toa milaza izany fa anisan’ireo vahoaka eny Ifotony ny fiangonana ary ireo pretrany dia naneho fa misy vahoaka miandry fiovana avy amin’ny diosezy samihafa eto Madagasikara !
Dia hoy ilay Malgache non visionnaire pas sourd : A bon entendeur, salut !