P. Prospère |
12 OCT 2026
Nanomboka ny taona 1958 mantsy dia nizotra miandalana amin’izany fahaleovan-tena famindram-pitantanana ny firenena izany ny Frantsay sy Malagasy. Dingana voalohany ny fitsapan-kevi-bahoaka ny 28 septembra na hiaraka amin’ny « firaisam-be ny frantsay isika na tsia ». Nandresy ny eny, ary
nambara tamin’ny fomba ofisialy ny 14 oktobra fa « teraka ny Repoblika Malagasy, ao anatin’ny Firaisam-ben’ny frantsay » (Communauté française).
Nanomboka navalona tsikelikely araka izany ny tantaran’ny 1947, na ny tolom-panafahana satria fifanarahana no nametraka ny fahaleovan-tena. Efa noravana ny 10 avrily ny MDRM ary nosamborina ireo mpitarika. Ny « Haut-Commissaire » izay nitantana ny firenena no nanomana sy nampiditra antsika amin’ny fandraisana ny fahaleovan-tena sy ny fahefana. Nisesisesy ny fifanarahana tamin’ny fitondrana frantsay notarihin’ny De Gaule. Fihaonan’i Philibert Tsiranana taminy tany Paris ny 10 febroary 1959 ; fandaniana ny lalàm-panorenan’ny Repoblika aprily 1959 ; fahalanian’Andriamatoa Philibert Tsiranana ho filoha, ny volana mey 1959. Mpikambana PSD izay zanaky ny PADESM tamin’izany ; ary ny fanambarana ny fahaleovan-tena ny 26 jiona 1960 teo Mahamasina.
Ireto no andraikitra noraisin’ny fanjakana repoblikanina tamin’izany : « ny lafiny Raharaham-bahiny, Fiarovam-pirenena, Toekarena, Fitantanam-bolam-panjakana, Fampianarana ambony, Fitaterana ary Fifandraisana ».
Ny taona 2025-2026 nisy ny tolona saiky nanereana ny firenena ; ary ny GEZ no nalaza fa na dia renivohitry ny distrika aza dia nahitana tolona. Imerintsiatosika dia santionany tamin’ny fandraisana anjara mavitrika tamin’ny dia lavitr’ezaka, toy ilay « longue marche sinoa » fahiny. Ireny no nampitsangana ny « PRRM- Président de la Réfondation de La République » Filohanan’ny Fanavaozana ny Repoblika, izany hoe « ilay fanjakana Repoblikanina no mila fanavaozana ». Ny rafitra no mila jerena satria ireo andraikitra nankinina tamin’ny tamin’ny fahaleovan-tena no tsy tanteraka : fifandraisana amin’ny any ivelany, indrindra lafrantsa ; ny Fiarovam-pirenena voafatotry ny firehana sy fifanarahana sy fanampiana etsy sy eroa ; ny toe-karena tsy nahomby fa nampahantra tao anatin’ny 66 taona ; ny fampianarana, fototry ny revolisiona 1972, ary ankehitriny ireo andrana fanavaozana tsy nahomby amin’ny ambaratonga samihafa ; ny fitarerana sy fifandraisana mbola mijanona amin’ny fikojakojana foto-drafitrasa navelan’ny frantsay ary mahatonga ny firenena ho bokan’ny trosa sy ny finkinan-doha.
Raha fintinina dia tsy nahomby ny Repoblika ka mila fanavaozana. Ary eo isika ankehitriny no nitaky fanavaozana mba hitondra fanitsiana ara-drafitra. Rehefa mankalaza fety ve dia manorina ireo tanjona ireo sa manarinary dia ? Azo fintinina amin’ny lafiny roa lehibe ny tsy fahombiazana : « ny iray dia tsy fahatanterahan’ny Fahaleovan-tena tena izy, kisarisarin’ny 26 jona ara-tafika sy mahaolom-pirenena ary faharoa dia ny fampijroana ny Fiandrianam-pirenena tena izy, raiketin’ny 14 oktobra sy ny Repoblika ara-politika».
Inoana fa izao fiverenana amin’ny fankalazana izao dia hamohafoha ny fahatsiarovan-tena ara-tantara ka hamelona fitiavan-tanindrazana marina. Ary rehefa misy fitiavan-tanidrazana dia mba hitodika amin’ny firenena sy ny vahoaka marina ny rafitra Repoblikanina satria miaina fanavaozana. Raha tsy izany dia hijanona ho fahatsiarovana, hamelona geja ara-tantara vaovao indray no atao ary fiverenana amin’ny fanjahan-tsaina na « subversion » ny 14 oktobra, satria volana an-tenda ny Fanovana na Fanarenana .