P. Prospère |
03 JUN 2026
Izao no azo amaritana ny hetahetam-piovana – nanjaka ny kolikoly, ka te hanova ny fahalovana ny maro. Ahoana no hamadihana ny faniriana te handray anjara amin’ny fanorenana mba zavatra tsara sy mamporisika fiaraha-mientana, manaja ny soatoavina maha olona no hitoetra. Ny fanorenana fiarahamonina manandratra ny maha olona araka izany dia mamboly soatoavina ho vy miaina manentana ny rafitra sy ny fiaraha-miaina : dina, lalàna, fandaminana sy fiaraha-miasa…
Ireo fikaonan-doha samihafa na fifampidinihana tamin’iny herinandro na volana lasa iny, dia nahatsapana izany : mila moraly na fitsipi-pitondra-tena- mila manorina ny tsara sy ny marina. Araka ny fisainana Malagasy. Ny fanirian’ny ray aman-dreny aza dia ny hoe « mba hahaleo hahalasana ny taranaka – hahatsangy no hary».
Manoloana ny zava-misy iainan’ny firenena ankehitriny dia samy te handray anjara amin’izany fanarenana izany. Samy te hanorina izany fahamarinana sy fihavanana ary ny tsara sy ambony izany ; samy te handray anjara amin’ny fifampidinihana koa.
Fifampidinihana aloha. Raha toa manko ka vola no nampandroso, tsy ny rehetra no afaka nandray anjara amin’izany. Mety tsy manam-bola hoentina akory aza. Hatrizay, vola no resaka dia kolikoly sy fahalovana ary fahapotehana amin’ny sehatra rehetra no vokany. Mangetaheta hanam-bola ny olona, fa tsy te handray anjara amin’ny fahalovana sy faharavana. Nikolokolo ny faharavana ka ny mifanohitra amin’izay tokony ho anjara toerany no vokatra, toy izay hampandroso dia vao mainka namotika.
Ny zava-misy ankehitriny iainantsika amin’ny sehatra iraisam-pirenena dia maneho fa tsy nahasoa antsika ny fahefan’ny vola sy ny fitobaky ny vola. Ny raharaha « famotsiam-bola, fanodinkodinam-bolam-panjakana, fangalarana harem-pirenena, fahapotehan’ny harena voajanahary, fandosiran’ny volam-bahoaka any amin’ny banky ivelany, toa izay miseho ao Maorisy dia endriky ny faharavana manjo ny firenena. Tsy nandrisika antsika hifototra amin’ny fampandrosoana sy ny hampatanjaka ny firenena eo anatrehan’izao tontolo izao ny fiaraha-miasa sy ny fanampiana. Ny toe-karenantsika aza dia vao mainka marefo.
Zavatra telo tsy mahomby no hita ezahan’izay nitondra firenena noho ny vola miditra tsy nanasatra : fahaterahan’ny sokajin’olona ara-politika tsy te hisahirana ; olona mpanondrana harem-pirenena any ivelany ka mampanan-karena ny firenena efa matanjaka ; fandefasany ny zanany hianatra na hipetraka any ivelany. Izay manompo vola dia mihevitra fa izay misy ny tahiriny no tanindrazany, hany ka tsy misy fitiavan-tanindrazana intsony. Ireo lazaina fa sangany na noheverina ho olomangan’ny firenena dia miray tsikombakomba amin’ny vondron’olona afaka miaro ny fananany norobainy teto amin’ny firenena.
Toeram-pialokalofana no misy eran-tany ; rafitra mifampiaro harena ary miroborobo amin’ireny firenena ireny ny fandiovana vola maloto na fampiasana vola maloto. Ny tanorantsika no mpiasa madinika karamaina varimasaka amin’izany : Maurice, Canada, Australie, Panama, Suisse, Allemagne, Dubaï. Fihariana manokana mibaiko ny varotra, fifandraisana eran-tany ny rafitra ara-bola maloto. Tsy fandosiran’ny vola sy ny harem-pirenena fotsiny intsony ireny firenena ireny, fa fandosirana ny tanindrazana, ary ny tanora no voasintona amin’izany, satria toy ny tsy misy azo antenaina sy aorina eto an-toerana.
Mifanindran-dalana amin’izany ny fanindrahindrana ny kolontsaina vahiny mba hanamaivanana ny an’ny tena. Manjary endri-panjanahana vaovao no iainan’ny firenena noho ny fahefana ara-bola mihamanjaka, tsy mampaninona izay fiaviany, fa vola no anarany ; mihamahazo vahana ankehitriny fa tsy mahomby ny fanabeazana eto an-toerana, fa tsy maintsy teny vahiny no manandratra – Anglisy, Frantsay, Espagnol… Tsy mahagaga raha toa ka mihazakazaka any ivelany ny tanora, mitady vola sy fahaizana, te hivarobarotra… Ilay faniriana hanorina zavatra tsara sy maharitra eto amin’ny tanindrazana no mihavery. Mahatsiaro tena ho tsy afa-manoatra raha mijanona ato anatiny.
Raha tonga amin’izao zava-misy izao isika dia noho izany fisehoan-javatra anatiny sy ivelany mifandrirotra izany. Ireo tanora mangetaheta izany fanovana izany no te handray anjara amin’ny fanarenana sy fanorenana zavatra mafy orina sy tsara ary marina eto amin’ny firenena. Ilay hasina maha olona manam-panahy mihitsy no voagejan’ny fahalovan-drafitra ka mitady fahafahana. Ilay fanahy voageja no mitarika fikatsahana zavatra ambony sy tsara, afaka mampientana ny fon’ny Malagasy maro. Fientanana tsy noho ny vola izay tsy mampahita afa-tsy adim-piainana sy fahantrana lalina aza.
Foto-pisainana mifamatotra amin’ny kolontsaina sy ny rafi-piarahamonina takatry ny Malagasy maro araka izany no tsy maintsy hapetraka. Efa mahazatra, nefa mitaky fiovam-penitra satria nahazo laka ilay tsikalakalam-bola. Ireo nandia fianarana sy manam-pahaizana nahita fihatsaram-piainana noho ny vola no mila mahatakatra ny lanjan’ny foto-pisainana. Tsy mbola hisy araka izany ny fanovana raha tsy mahery vaika ny fitakiana fiovam-penitra satria tontolo samihafa mifamahofaho sy mifanohitra no arindra sy voatery hiaraha-miaina. Ary Malagasy very fanahy no haverina amin’ny ati-fanahy maha olona. Mifanindran-dalana araka izany ny fanarenana ny fanabeazana sy ny famaritana ny olona volavolainy mifanaraka amin’ny fiarahamonina aorina. Ilay rafi-piarahamonina aorina koa dia tsy maintsy baikoin’ny famolavolana olom-pirenena araka ny tanjona iombonana. Ilay olom-pirenena dia manana ny maha izy azy sy ny fiandrianany satria masi-mandidy amin’ny taniny. Mila mazava mba hifamatotra araka izany ny lalàna sy ny rafitra ajorony.