Miasa ny Fanahy Masina fa ireo izay te handalina bebe kokoa dia tokony ho resy lahatra fa tenin’Andriamanitra nosoratana amin’ny tenin’olombelona ny Soratra Masina araka ny voalazan’ny Konsily Vatikana faharoa Dei Verbum 11. Noho izany azo atao ny mamakafaka ny lahatsoratra voarakitra ao amin’ny Baiboly izay miseho matetika amin’ny endrika tantara, tononkalo na lahateny. Voalohany toy ny asa soratra rehetra dia tsara hadihadina ny karazana tantara na tononkalo na lahateny ampitana ny hafatra, izany hoe fantarina hoe inona ilay karazana literatiora, iza avy no mpandray anjara ao ary inona no votoatin-kevitra tiana hampitaina, ohatra ny tantaran’ilay Samaritanina tsara fanahy dia manaraka ny literatioran’ny fanoharana. Faharoa dia afaka jerena ihany koa ny firafitra mba hahazoana ny hevitra tiana hampitaina, ohatra raha jerena dia 8 ny isan’ny fahasambarana lazain’i Md Matio (Mt5, 1-12), i Md Lioka kosa mitanisa 4 (Lk 6, 20-26). Azo eritreretina fa mety ho 4 ny fahasambarana fa henon’i Md Matio naverin’i Jesoa indroa izy tsirairay avy, nefa i Md Lioka kosa naheno fa notanisain’i Jesoa izy 4 ary nolazainy koa ny mifanohitra aminy. Farany ny samy boky ao amin’ny Soratra Masina dia afaka mifanazava. Ny fanontaniana any amin’ny boky sasany dia mety hahitana valiny any amin’ny boky hafa. Mampametra-panontaniana matetika ohatra fa nahoana no lazaina hoe: “na iza na iza hanao teny manohitra ny zanak’olona dia hahazo famelan-keloka, fa izay nanao teny manohitra ny Fanahy Masina dia tsy hahazo famelan-keloka” (Mt 12, 32). Mety hanome tsirin-kevitra ny amin’izany ny voalaza ao amin’ny bokin’i Samoela manao hoe: “fa raha olombelona no anotan’olombelona dia Andriamanitra no mitsangan-ko elanelam-panahy fa raha ny Tompo kosa no anotany iza no sisa hanelanelana” (1 Sam 2, 25). Noho izany ny fandalinana ny lahatsoratra eo am-pelantanana dia manampy bebe kokoa hahatakatra ny hafatr’Andriamanitra.
Na izany aza anefa dia maro ihany koa ireo kolompiainana niantraika tamin’ny fandrafetana ny Soratra Masina izay toa hita fa misy ifandraisany amin’ny tantaran’ireo fanjakana maro nifandimby tany Azia afovoany fahiny indrindra ny tao Israely. Noho izany azo atao ihany koa ny mitsikera ny lahatsoratra mba hahatakarana azy bebe kokoa. Anisany azo atao ny mitsikera ny loharano nipoiran’ny lahatsoratra. Mazava moa fa fotoana maro vao vita ny lahatsoratra iray ary olona maro koa no nifandrimbona nanao azy. Raha ny Boky dimin’i Moizy dia toa teo anelanelan’ny taonjato faha 7 sy faha 5 tal. J.K. no nanoratana azy. Misy ireo lovampanahy Iavista, Elohista, Deteronomista ary Saserdotaly izay loharano nanovozana hevitra. Isan’ny antony mahatonga ny fahasamihafana amin’ny tantaran’ny fahariana ao amin’ny boky Jenezy. Asongadin’ny Toko I ny tantara avy amin’ny lovampanahy saserdotaly izay manome lanja ny hatsaran’ny faharian’Andriamanitra sy ny hasarobidin’ny sabata. Ny toko faharoa indray dia maneho ny mampifaningotra ny olona sy ny tany izay ampiasain’Andriamanitra hamelomana azy. Tany ho any amin’ny taona 539 tal. J.K. no voalaza fa nahavitan’ny fanakambanana ny boky dimin’i Moizy. Ankoatran’ny fitsikerana ny loharano nipoirana dia misy ihany koa ireo mametra-panontaniana raha toa ka izay notenenin’ny olona ohatra, Moizy na Jesoa no voasoratra. Voafetra ihany anefa ny azo atao amin’ity karazana tsikera ity satria eritreritra no isaintsainana an’izay teny voalaza noho ny tsy fisian’ny fandraisam-peo taloha.
Eo izany rehetra izany fa ny tena tiana hambara dia ny hoe mirakitra harena maro ny Baiboly, tenin’Andriamanitra narafitry ny olombelona an-tsoratra izy. Ny Fanahin’Andriamanitra no mitantana amin’ny fivelomana azy. Toy ny lahatsoratra rehetra dia azo trandrahina izy ary tsikeraina mba hahatakarana izay hafatra marina tiany hampitaina. Misy fomba enti-mandalina vitsivitsy notanisaina etsy ambony nefa mbola maro koa ny lalana ahafahana mamantatra ny hevitra lalina tiany hambara. Tsara ny manamarika eto am-pamaranana fa na ny Baiboly na ireo lovampanahy samihafa ao amin’ny Eglizy dia samy sehatra ahafahana mandray ny hafatr’Andriamanitra.