NEWS DEBAT MAGAZINE FEON'NY LAKROA MPIVAHINY

Fivorian’ny depiote : be famaritra ny mpitondra

Tsimeloka | 16 SEP 2026
Tapaka tamin’ny Filankevitry ny minisitra, natao ny 12 septambra teo, ny fanaikàna ny depiote hivory tsy ara-potoana. Araka ny Lalàm-panorenana dia tsy mihoatra ny 12 andro izany fivoriana tsy ara-potoana izany. Tsy voalaza kosa ny isan’ny fivoriana tsy ara-potoana. Vao ny talata 25 aogositra teo ary nofaranana ny 4 septambra ny fivoriana tsy ara-potoana nataon’ny Antenimierampirenena. Io no fivoriana tsy ara-potoana faharoan’ny Antenimierampirenena ho an’ny taona 2026. Efa nivoaka ny didim-panjakana miantso io fivoriana tsy ara-potoana vaovao io. Io izany no fivoriana tsy ara-potoana fahatelo. Araka ny Didim-panjakana LF°2026-2155 dia hivory tsy ara-potoana ny Antenimierampirenena manomboka ny alakamisy faha-17 septambra 2026 izao.

Fito no natolotra hodinihana sy holaniana ka roa ihany no vita tamin’ny fivoriana tsy ara-potoana farany teo. Ity indray dia nampiakarina ho 16 isa be izao ny lalàna hodinihana sy holaniana. Ny Mpanatanteraka ve no be famaritra ? Ny azo antoka dia fidiram-bola ho an’ny depiote ny fivoriana tsy ara-potoana. Fa ho fivoriana politika hanamafisana orina ny vondrona vaovao najoro ao anatin’ny Antenimierampirenana izao fivoriana tsy ara-potoana izao. Ary ho fandraisana anjara amin’ny fanamarihana ny vanim-potoana nisian’ny tolona (25 septambra 2025) ny famoriana ireo depiote ao Antananarivo.

Ireto avy ireo volavolan-dalàna hodinihina mandritra izany:

- 1 lf 002/2026 tamin'ny 15 janoary 2026 anaovana ny sata fiarovana ny fizaka-manana ara-indostrialy eto Madagasikara ;

- 2 lf°018/2026 tamin'ny 2 jona 2026 anomezan-dalana ny fankatoavana ny Fifanarahana findramam-bola mikasika ny famatsiam-bola ny Tetikasa Fanitarana ny Faritr’i Mangoky Ambany Dingana II (PEPBM II), vita sonia ny 6 mey 2026 teo amin’ny Repoblikan’i Madagasikara sy ny Facilité d’Appui à la Transition ;

- 3 lf°019/2026 tamin'ny 2 jona 2026 anaovana didy amam-pitsipika momba ireo asa mifandray  amin'ny lalao ara-bola sy ireo orin-draharaha misehatra amin'ny lalao ;

- 4 lf°024/2026 tamin'ny 10 jona 2026 anomezan-dalana ny fankatoavana ny Fifanarahana findramam-bola mikasika ny famatsiam-bola fanampiny ny Tetikasa Vatsim-bola fiavotra sy Tohi-bely eto Madagasikara, vita sonia ny 8 may 2026 teo amin'ny Repoblikan'i Madagasikara sy ny Fikambanana Iraisam-pirenena ho Fampandrosoana (IDA) ;

- 5 lf°026/2026 tamin'ny 10 jona 2026 anomezan-dalana ny fankatoavana ny Fifanarahana findramam-bola mikasika ny famatsiam-bola ny Fanafainganana ny Tetikasa Fanovana maharitra sy Fisitrahana Angovo Madio (ASCENT MADA), vita sonia ny 8 may 2026 teo amin'ny Repoblikan'i Madagasikara sy ny Banky Iraisam-pirenena ;

- 6 lf°027/2026 tamin'ny 10 jona 2026 anomezan-dalana ny fankatoavana ny Fifanarahana findramam-bola mikasika ny famatsiam-bola ny Tetikasa Fitaterana marolafy sy Lojistika teo amin'ny Repoblikan'i Madagasikara sy ny Fikambanana iraisam-pirenena ho Fampandrosoana (IDA) ;

- 7 lf°028/2026 tamin'ny 10 jona 2026 anomezan-dalana ny fankatoavana ny Fifanarahana findramam-bola mikasika ny famatsiam-bola ny Tetikasa Fahaiza-manaon'ny Tanora ho amin'ny Fanovàna ara-toekarena sy ny asa eto Madagasikara (MYSET), vita sonia ny 30 aprily 2026 teo amin'ny Repoblikan'i Madagasikara sy ny Banky Iraisam-pirenena ;

- 8 lf°029/2026 tamin'ny 10 jona 2026 anomezan-dalana ny fankatoavana ny Fifanarahana findramam-bola mikasika ny famatsiam-bola fanampiny ny dingana faharoa amin'ny Tetikasa Fanatsarana ny Vokatry ny Fanjarian-tsakafu (PARN II), teo amin'ny Repoblikan'i Madagasikara sy ny Fikambanana iraisam-pirenena ho Fampandrosoana (IDA) ;

- 9 lf°030/2026 tamin'ny 10 jona 2026 anomezan-dalana ny fankatoavana ny Fifanarahana findramam-bola mikasika ny famatsiam-bola ny Tetikasa Fampandrosoana an-tanàn-dehibe Mirindra sy Manohi-bely ho an'ny Asa (PRODUIRE), teo amin'ny Repoblikan'i Madagasikara sy ny Fikambanana iraisam-pirenena ho Fampandrosoana (IDA) ;

- 10 lf°031/2026 tamin'ny 10 jona 2026 anomezan-dalana ny fankatoavana ny Fifanarahana findramam-bola mikasika ny famatsiam-bola ny Tetikasa Tantsoroka ho an'ny Haitantana ara-bola (PAGFI), vita sonia ny 22 may 2026 teo amin'ny Repoblikan'i Madagasikara sy ny Banky Afrikanina momba ny Fampandrosoana (BAD) avy amin'ny alàlan'ny Tahirim-bola Afrikanina momba ny Fampandrosoana (FAD) ;

- 11 lf°032/2026 tamin'ny 10 jona 2026 anomezan-dalana ny fankatoavana ny Fifanarahana findramam-bola mikasika ny famatsiam-bola ny Tetikasa Tantsoroka momba ny Fitantanam-bola sy ny Tohi-bely ara-toekarena Dingana II (PAGFRE II), vita sonia ny 27 may 2026 teo amin'ny Repoblikan'i Madagasikara sy ny Banky Afrikanina momba ny Fampandrosoana (BAD) avy amin'ny alàlan'ny Tahirim-bola Afrikanina momba ny Fampandrosoana (FAD) ;

- 12 lf°033/2026 tamin'ny 10 jona 2026 anomezan-dalana ny fankatoavana ny Fifanarahana findramam-bola mikasika ny famatsiam-bola ny Tetikasa Tantsoroka momba ny Fitantanam-bola sy ny Tohi-bely ara-toekarena Dingana II (PAGFRE II), vita sonia ny 27 may 2026 teo amin'ny Repoblikan'i Madagasikara sy ny Banky Afrikanina momba ny Fampandrosoana (BAD), miasa ho toy ny mpitantana ny Facilité d'Appui à la Transition (FAT) ;

- 13 lf°034/2026 tamin'ny 17 jona 2026 anomezan-dalana ny fankatoavana ny Fifanarahana findramam-bola mikasika ny famatsiam-bola ny Tetikasa Tohi-bely ho an'ireo Tambajotran'ny Herinaratra (PRRE), teo amin'ny Repoblikan'i Madagasikara sy ny Tahirim-bola Afrikanina momba ny Fampandrosoana (FAD) ;

- 14 lf°035/2026 tamin'ny 17 jona 2026 anomezan-dalana ny fankatoavana ny Fifanarahana findramam-bola mikasika ny famatsiam-bola ny Tetikasa Tohi-bely ho an'ireo Tambajotran'ny Herinaratra (PRRE), teo amin'ny Repoblikan'i Madagasikara sy ny Facilité d'Appui à la Transition (FAT) ;

- 15 lf°036/2026 tamin'ny 17 jona 2026 anomezan-dalana ny fankatoavana ny Fifanarahana findramam-bola mikasika ny famatsiam-bola ny Tetikasa Tantsoroka ho an'ny Fitsarana eto Madagasikara (PAJMA II), teo amin'ny Repoblikan'i Madagasikara sy ny vondron'ny Masoivoho Frantsay ho Fampandrosoana (AFD) ;

- 16 lf°037/2026 tamin'ny 24 jona 2026 anomezan-dalana ny fankatoavana ny Fifanarahana findramam-bola mikasika ny famatsiam-bola ny Tetikasa fanalana ny fitokana-monina sy fanadiovana ireo toerana laharam-pahamehana eto Antananarivo, dingana fahefatra (LALANKELY IV), teo amin'ny Repoblikan'i Madagasikara sy ny vondron'ny Masoivoho Frantsay ho Fampandrosoana (AFD).

Fanamarihana

Araka io fitanisana io dia resaka findramam-bola no betsaka. Raha ny fahitana ny hafainganam-pivoriana tamin’ny fivoriana tsy ara-potoana teo aloha teo dia azo antoka fa telo na efatra ihany no ho voadinika amin’io lisitra lavabe io. Sa… Hatao tsangan-tanana tsy misy dinika izy ireo ?

Tsapa ihany koa fa tsy naverina hodinihana ireo lalàna mikasika ny ana-habaka

Tsiahy

Nifarana androany, 04 septambra 2026, ny fivoriana tsy ara-potoana faharoan’ny Antenimierampirenena ho an’ny taona 2026.

Volavolan-dalàna miisa fito no napetraka tanatin’ny lahadiniky ny Antenimierampirenena nandritra ity fivoriana ity. Tamin’ireo, roa no lany (ireo nalahatra voalohany ireo), raha dimy kosa no mbola tohizana amin’ny fotoana manaraka, noho ny maha-zava-dehibe sy ny maha-saropady ireo volavolan-dalàna ireo.

Na dia teo aza ny adihevitra natao tanatin’ny asam-baomiera dia mbola tsapa fa mitaky fotoana fanampiny ny fandinihana amin’ny antsipiriany ireo volavolan-dalàna dimy. Ny tanjona dia ny hahazoana antoka fa ireo lalàna havoaka dia voadinika am-pahamatorana, mifanaraka amin’ny zava-misy ary tena miaro sy mampandroso ny tombontsoan’ny vahoaka Malagasy.

Araka ny Didim-panjakana LF°2026-1691 anaikàna ny Antenimierampirenena hivory tsy ara-potoana dia hotanterahina manomboka amin'ny talata 25 aogositra 2026 izao izany fivoriana izany.

Ireto avy ireo volavolan-dalàna hodinihina anaty lahadinika mandritra izany:

- lf"016/2026 tamin'ny 2 jona 2026 anomezan-dàlana ny fankatoavana ny fifanarahana fameno momba ny fitantanam-bola sy ny fampiasam-bola hamokarana eo anivon'ny Vondrona Fampandrosoana ny Atsimon'iAfrika (SADC) ;

- lf°038/2026 tamin'ny 1 jolay 2026 enti-manova sy mameno ireo fepetra sasantsasany amin'ny lalàna lf°96-029 tamin'ny 6 desambra 1996, novaina sy nofenoin’ny lalànà lf°98-030 tamin'ny 20 janoary 1999, anaovana Sata ankapoben'ny Miaramila ;

- lf°019/2026 tamin'ny 2 jona 2026 ifehezana ireo lahasa mifandraika amin'ny kilalao ara-bola sy ireo orinasan-draharaha mampilalao ;

- lf°039/2026 tamin'ny 17 jolay 2026 mikasika ny fampiasana azo antoka, voaaro sy am-pilaminana ny teknolojia nokleary eto Madagasikara ;

- lf° 040/2026 tamin'ny 21 jolay 2026 mikasika ny serasera elektronika sy ireo fotodrafitr'asa nomerika ;

- lf°042/2026 tamin'ny 7 jolay 2026 anavaozana manontolo ny lalàna lf°2014-006 tamin'ny 17 jolay 2014 mikasika ny ady amin'ny fandikan-dalàna an-habaka ;

- lf°043/2026 tamin'ny 4 aogositra 2026 anomezan-dàlana ny fankatoavana ny Fifanarahan'ny Firenena Mikambana iadiana amin'ny fandikan-dalàna an-habaka antsoina hoe «Fifanarahan'i Hanoï », Hanoï Vietnam, ny 25 oktobra 2025.

Galerie photo

Photo 1




Mentions Légales  |  © Lakroa Media 2026